Fanambarana

Dépêche
Madagascar

Loading

Manoloana ny fanapahana laharana faha-4-HCC/D3 nivoaka ny faha 10 marsa 2023 lasa teo, mikasika ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena ny faha-8 desambra 2022 ary ny fanitsakitsahan’ny Filohan’ny Repoblika ny andininy faha-49 andalana voalohan’ny Lalàmpanorenana izahay Solombavambahoaka nametraka ny taky teo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED),dia manao izao fanambarana izao:

1. Voahosihosy ny Zo sy fahefana hahafahanay Solombavambahoaka mametraka tolo-kevitra fitsipaham-pitokisana arak’izay voafaritra ao amin’ny Lalampanorenana andininy faha 103.
Tsy namaly ny fanontaniana napetraka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, fa :
i Namorona, zavatra hafa tsy voasoratra ao amin’ny andininy faha-195 an’ny Fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena ny Fitsarana Avo. Tsy andraikiny izany. Tsy azony atao izany, fa ny mampihatra ny efa misy sy ny mijery ny fanajan’izay fampiharana an’izay voalazan’ny Lalàmpanorenana no andraikiny. Ary izay ihany.
ii Miainga amin’izay hevitra tsy misy na ao amin’ny andininy faha-103 ny Lalàm-panorenana na ao amin’ny andininy faha-195 ny Fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena no ilazan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana fa mitombina sy manaja ny Lalàm-panorenana ny fanambarana natao-dramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena mampitsahatra ny fandinihana an’ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta.

iii Raha tsorina izany, dia tsy miorina na amin’inona na amin’inona afa tsy izay tian’ny Fitsarana Avo ambara ilay filazana fa mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ny fanambarana sy ny fampitsaharana ny hitohizan’ny fandinihana ny fitsipaham-pitokisana.

2. Mihoatra ny andraikitra izay sahanininy araka ny lalampanorenana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) , ary misalovana ny andraikitry ny fahefana mpanao ny Lalàmpanorenana izay tsy fomba fiasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana maneran-tany, raha milaza momba ny andininy faha 49 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ka :
i Mampitaha zavatra tsy misy hifandraisana ny Fitsarana Avo. Afangarony ny « moyens d’action réciproques » mba hisian’ny fifandanjan-kery eo amin’ny fahefana isan-tokony (« équilibre des pouvoirs »), sy ny sazy noho ny tsy fanajana ny Lalàmpanorenana (« sanction pour le non-respect d’une disposition de la Constitution ») izay tsy azo ampitahaina, fa sasanangy samy hafa.
ii Mbola manao fampitahana zavatra tsy misy hifandraisana hafa koa izy satria ny andininy faha-49 izay sazy noho ny tsy fanajana ny lazain’ny Lalàmpanorenana no ampitoviany amin’ireo andininy faha-50 sy faha-51 izay tsy sazy, fa toe-batana na toe-tsaina, izany hoe zavatra mifandray amin’ny toe-pahasalaman’ny Filoha tsy hahafahany miasa. Izany hoe tsy sazy tsy akory, fa fitsimbinana ny Filoha.
iii Manao “interprétation” zavatra efa mazava sy feno sady efa voafaritry ny lalàna.
Noho ireo antony voalaza rehetra ireo, dia :
✔ Voahitsakitsaka tanteraka ny zo –fototra ananan’ny solombavambahoaka ary ny fahefanareo vahoaka izay nifidy anay sy ny hasin’ny Andrimpanjakana;

✔ Tsy voahaja ny tany tan-dalàna eto amin’ny Firenena, satria voahitsakitsaka ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna ary ny fitsarana;

✔ Tsy matokony ny HCC izahay satria mampanahy ny firaisany tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka ka tsy voaaro intsony ny lalàmpanorenana,
✔ Manahy izahay ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary henken’ny rehetra izay lalana mankany amin’ny krizy , satria tsy ho azo antoka fa hitsara ara-drariny sy araky ny lalàna ireo fifidianana hifanesy eto amin’ny Firenena ny HCC.

Na dia tsy azo ivalozana aza ny fanapahana navoakan’ny HCC dia mipetraka ny ahiahy satria, hita taratra fa tsy mahaleotena ny HCC ary misarisary politika ny fanapahana raisiny dia

Mijoro izahay ankehitriny :

✔ Miaro ny zon’ny Solombavambahoaka. Zo sy fahefana nomena anay mba hisian’ny fifandanjan-kery sy mba tsy hanjakan’ny fanamparam-pahefana (Na ny fanjakan’olo tokana) sy ny demokrasia eto Madagasikara.
✔ Miantso ireo namanay solombavam-bahoaka mba ho saropiaro amin’ny ho famerenana ny hasin’ny andrimpanjakana misy antsika sy hanatevin-daharana ka hiara hitaky ny fahefana feno sy fitokisana izay nomen’ny vahoaka izay nifidy antsika;
✔ Manainga ireo mpitsara sy mpahay lalàna hijoro, hiaro ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy tsy hanaiky ny fanosihosena ny fahamarinana
✔ Hitaky ireo fepetra mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ho fisorohana ny mety ho fisian’ny krizy izay tsy ho zakan’ny firenentsika efa latsaka ankaterena izao.
✔ Mitaky ny fampiharana ny Demokrasia eto Madagasikara satria manjaka loatra ny didijadona , sy fanabadoana ary ny fampahantrana ny vahoaka tompom-pahefana;
Miantso ny hery velona sy olom-pirenena rehetra hiara-hitaky ny rariny sy ny fanajàn’ny Filohampirenena ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona rehetra, ka hanjakan’ny ara-dalàna sy ny fahalalahana ho fanarenana ity firenentsika ity.

Natao teto Antananarivo androany faha 23 martsa 2023

S’abonner
Notification pour
guest
10 Commentaires
Le plus ancien
Le plus récent Le plus populaire
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Naja
Naja
1 année il y a

Mankasitraka @ fijoroanareo, enga anie hijoro hatramin’ny farany isika rehetra.

tsytiafoza
tsytiafoza
1 année il y a

Espérons que cela ne changerait pas même si quelques malettes seraient proposées. Le doute m’habite lorsqu’on me parle des députés. Ce n’était pas moi qui ai signé ce document ee, avoakako ny dossier ee

Rafangy
Rafangy
Répondre à  tsytiafoza
1 année il y a

sur les 14 solombava, au moins 3 ne me font pas confiance, et curieusement , ils sont parmi les leader, et tels que je les connais, ils n’hesiteront pas à renier leurs paroles contre des cartons(les mallettes sont remplacées par des cartons avec cette inflation galopante)

CLAUDE
CLAUDE
1 année il y a

J’avoue : je n’ai pas eu le courage de lire au-delà du (i) c’est trop fastidieux.
Svp, une âme charitable pourrait-elle faire un résumé ?
Merci !

RMC
RMC
1 année il y a

02 autres communiqués viennent de sortir aussi :
1- toujours du smm sur le préfet de toamasina
2- sur la démission collective des sociétés civiles au sein du pac

Rafangy
Rafangy
Répondre à  RMC
1 année il y a

le prefet de toamasina qui est le tribunal de la region? souvenez vous de son” verdict” disant que’une hauta personnalité orange est innocente de l’affaire la liant

grard
grard
Répondre à  RMC
1 année il y a

2- sur la démission collective des sociétés civiles au sein du pac



ci après des extraits du communiqué

LA SOCIETE CIVILE REFUSE L’AFFAIBLISSEMENT DES PAC
“”Confrontés aux dysfonctionnements engendrés par la loi n°2021-015 du 05 août 2021 (dite
loi Idealson) tendant vers l’anéantissement des efforts entrepris depuis de longues années
dans la mise en place du système anti-corruption et en particulier des pôles anti-corruption
(PAC), nous, les OSC signataires de ce communiqué, tenons à alerter le public sur la gravité
des récentes atteintes à l’indépendance de la justice dans notre pays.””

“”Refusant d’être complices du démantèlement des acquis, du renforcement de l’impunité en
raison des demandes de poursuite non concluant ou encore la procédure de mise en
accusation de la HCJ n’aboutissant pas, nous avons ainsi pris la décision collective de
démissionner du CSE PAC. Le déclin programmé des PAC va à l’encontre de la volonté
affichée des autorités d’appliquer une tolérance zéro à l’égard de la corruption, et s’oppose à
l’instauration d’une bonne gouvernance, indispensable au développement inclusif et durable
de Madagascar””

Njakanirina
Njakanirina
Répondre à  grard
1 année il y a

Ce honorable Idealson n’est pas si honorable que ça. Bizarrement, il trouve toujours des débilités pour affirmer qu’une boule noire est de couleur blanche

A la Une

A la Une
elman

Mirage

Fil info

Voir d'autres articles

Les derniers commentaires

10
0
Nous aimerions avoir votre avis, veuillez laisser un commentaire.x